Kanada

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Canada ((fr))
Canada en
Kanada ((mg))
Sainan'i Kanada Mari-piandrian'i Kanada
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : (Latin) A Mari Usque Ad Mare
« Amin'ny ranomasina ilany hatramin'ny ranomasina ambadika »
Canada (orthographic projection).svg
Teny ofisialy anglisy, frantsay
Renivohitra Ottawa
45° 24' N, 75° 40' O
Tanana ngeza indrindra Toronto, Montréal, Vancouver, Calgary, Ottawa, Edmonton, Québec, Winnipeg, Hamilton.
Fitondrana sy governemanta
 - Reine
- Mpanjaka
- Praiministra
Fanjakana ara-dalam-panorenana
Élisabeth II
David Lloyd Johnston
Justin Trudeau
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 2
9 984 670 km²
8,62 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2009)
 - hakitroka
faha 37
34 157 950 (6 Septambra 2009)[1] mpo.
3,42 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina kanadianina
IDH (2008) mahazo 0.967 (mihakatra) faha 3
Sandam-bola Dollar kanadianina (CAD)
Faritr'ora UTC -3,5 à -8
Hiram-pirenena Ô Canada
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+1

Ny Kanada dia firenena any amerika avaratra. Any avaratry ny Etazonia ny misy azy. Tenenina « [kanada] » ny anarany amin'ny fiteny frantsay ary « [ˈkʰænəda] » amin'ny fiteny anglisy.

Hitan'i Jacques Cartier tamin'ny 1534 ny amorontsiraka atsinanan'i Kanada, ary ny faritanin'i Quebec manodidin'ny renirano Saint-Laurent no lasa zanatany frantsain'ny Tontolo Vaovao. Teo moron'io renirano io no natsanganan'i Samuel Champlain ny tanànan'i Québec tamin'ny 1608.

Ny tompontany aloha no nipetraka teo, ary nanana fifandraisana diplômatika tsaratsara ny frantsay tamin'izy ireo. Nitondra mpanjanatany (colons) sivy arivo sy enina alina ny frantsay tany amerika avaratra nanomboka tamin'ny nahatongavan'i Jacques Cartier hatramin'ny 1763.

Nohon'ny taty aoriana dia lasan'ny Britanika nohon'ny fandreseny ny frantsay ny faritra avaratr'i Nouvelle-France. Vitsy ny mponina anglisy tao Kanada tamin'izany fotoana izany, ary nanomboka tonga kelikely taorian'ny fahaleovantenan'i Etazonia, ny ankamaroan'ny mpanjanatany britanika izay nandositra noho ny tolom-piavotana amerikana.

Tamin'ny 1867, voaforon'ny Britanika ny Dominion-n'ny Kanada, teraka avy amin'ny fivondronan'ny zanatany Britanika telo : Ny Kanada navondrona, ny New-Brunswick ary ny Nouvelle-Écosse.

Ny « Acte de l'Amérique du Nord britannique », lalàna britanika natao tamin'ny 1867 dia naverina tany Angletera tamin'ny 1980 mba hanomezana lalam-panorenana ho an'i Kanada. Ankehitriny dia firenena manana faritany mizaka tena i Kanada ary manana faritany folo ary tany telo. Ireo faritany folo sy tany telo ireo dia samy manana ny praiminisiny sy ny ary ny antenimierany.

Nahazo ny fahaleovantenany avy amin'ny Fanjakana Mitambatra i Kanada, ary tsy nisy ady natao ho an'io fahaleovantena io. Anefa dia tsy ohatra ny zanatany anglisy nahaleotena taty aoriana ny fomba nahaleovan'i Kanada tena : azony tsikelikely ny fahaleovantenany nanomboka tamin'ny 1867 hatramin'ny taona 1982.

Ankehitriny, ny Kanada dia fanjakana izay manana ny mpanjakan'i Angletera ho mpanjaka. Ny tena fahefana kosa anefa dia eo am-pelantanan'ny governera jeneraly ary ny praiminisitra kanadianina izay fidian'ny vahoaka.

Mitonon-tena fa firenena miteny fiteny roa ary manan-kolotsaina maro samihafa i Kanada. Samy teny ofisialy ary tenim-pirenena ny fiteny frantsay ary ny fiteny anglisy. Ny Quebec irery ny faritany be mpiteny frantsay, ary izy irery ny faritany tsy manana ny fiteny anglisy teny ofisialy. Miteny anglisy faholo ny ankabeazan'ny faritany rehetra. Tany Kanada tamin'ny 2006, 9,6 tapitrisa ny mpiteny frantsay (30,7%) ary 26,6 tapitrisa ny mpiteny anglisy (85 %).

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. famataranadro ara-demografia kanadianina.